<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Raha mijery ny hazo FFPM104</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Raha mijery ny hazo
 Nijalian'i Jesosy,
 Tsy misy izay malaza
 Na izay mirehareha.

[V3]
 Aza miavonavona,
 Fa indro ny Mpanavotra ;
 Ny dian'i Jesosy Kristy
 No arahina isan-andro.

[V4]
 Indro ! ny rany mandeha,
 Voahombo ny tànany,
 Nijaly, ka dia maty
 Nisolo olo-meloka.

[V5]
 Raha ahy 'zao tany izao
 Sy ny aminy rehetra,
 Tsy ho azoko havaly
 Ny fitiavan'i Jeso.

[V6]
 Ny foko omeko Azy,
 Fanahiko hatolotro ;
 Tsy mba mendrika Azy 'zany
 Fa Jeso no mety mandray.</lyrics>
<hymn_number>104</hymn_number>
<author>E.Miller</author>
</song>